- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Vaky ny fasana , razana 40 nanjavona

Ambohimalaza : Vaky ny fasana , razana 40 nanjavona

Fasana iray indray no vaky teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny, vokany, razana 40 no nanjavona  foana madiodio ny fasana. Efa tsy manaja ny loharano nipoirana intsony tokoa ny olombelona ankehitriny. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa nisy razana roa navelan’ireo  mpangalatra tao amin’io fasana io  izay tsy fantatra ny antony. Araka ny fitantaran’ireo tompon’ny fasana,  dia gaga tanteraka izy ireo ny amin’ireto razana roa tavela. Araka ny maha razana azy moa, dia tsy fantatra intsony ny endrika fa efa lo tanteraka, fianakaviana handeha hamadika  no sendra izao loza mahatsiravina izao , vokatr’izany dia ireo razana roa  sisa tavela no hany navadika ary nafindra fasana hafa mba hisorohana ny loza toy izao. Tsy nipetra-potsiny ny tompon’ny fasana nanoloana izany, fa nametraka ny fitoriana teny amin’ny manampahefana mba handraisan’izy ireo andraikitra.

Nangonin’i FINARITRA.R (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici