- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAMBOHIMALAZA : Zazavavikely 12 taona, maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara 4x4

AMBOHIMALAZA : Zazavavikely 12 taona, maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara 4×4

Mila hampiteny ny moana mihitsy raha ny resaka lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, dia zazavavikely vao 12 taona monja indray no maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray raha iny izy andeha hiampita iny. Manoloana ny tobim-piantsonana Ambohimalaza moa no nitrangan’ity loza mahatsiravina namoizana ain’olona ity. Raha ny fanamarihan’ireo monina sy mampiasa iny làlana iny moa dia tsy mahagaga ny fisiana lozam-pifamoivoizana eo amin’io toerana io satria tokoa dia sarotra hiampitana izany. Ny mpamily koa moa etsy andaniny manararaotra ny lalana malalaka ka dia  mirifatra izay tsy izy. Tsy vitsy tamin’ireo nanatri-maso ity loza ity no saika naneho ny tsy fahafaliany  manoloana an’ilay mpamily noho ity farany  nitsoaka. Saingy   voasoroka ara-potoana ihany ny mety ho fitsaram-bahoaka niseho ary voafehy araky ny tokony ho izy ny fandriam-pahalemana teny an-toerana satria dia tonga ara-potoana ny zandary ao amin’ny borigady Ambohimalaza. Ireto farany izay nandray an-tànana  manontolo ny raharaha, na ny fanaovana ny « constat » teny an-toerana izany na ny fitaterana ny razana any amin’ny fianakaviany na ny fakàna am-bavany an’ilay mpamily. Raha ny fanazavana azonay avy amin’ny zandary dia voamarina fa tsy mamo velively ilay mpamily. Voalaza fa vao niala ny fiara avy any Atsinanana nitondra azy ilay zazavavy dia tsy nijery ny havia sy ny havanany fa avy hatrany dia niampita. Ny renibeny sy ny iray tampo aminy izay niaraka taminy rahateo mbola variana nampidina entana ka tsy nahatàna azy hijanona. Ilay mpamily kosa etsy andaniny tsy nahatazana ilay zazavavy andeha hiampita satria dia takon’ilay varavaran’ny « bus » nitondra azy izy ary tsy voatsikariny raha tsy  izy efa                                                                                                  voadona. Manoloana izany dia entanina hatrany ny tsirairay haneho fitandremana amin’ny fampiasana ny làlana satria ny tsy fitandremana kely foana dia mety hampidi-doza sy hamoizana aina mihitsy aza. Efa eo am-pelatanan’ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambohimalaza moa ny fanaovana ny fanadihadiana ary atolotra tsy ho ela eo anivon’ny fitsarana ny raharaha.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici