- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimamalaza : Toaka voarara 2500 litatra saron’ny zandary

Ambohimamalaza : Toaka voarara 2500 litatra saron’ny zandary

Nandritra ny fisavàna fanaon’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana, amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, omaly, tetsy Ambohimalaza no nahatratrarana izany toaka voarara aman’arivony litatra izany. Olona roa no nosamborina sy natao fanadihadiana, dia vehivavy iray milaza ho tompon’ny entana sy ny mpamily an’ilay fiara nahatratrarana izany.

Tsy vitan’ny efa fandikan-dalàna ny mitondra izany toaka voarara izany fa mbola taratasy tsy ara-dalàna sy hosoka ihany koa no sahin’ilay ramatoa tompon’entana naseho tamin’ireo zandary. Nihevitra fa ho afa-maina mora foana izy.

« Amin’izao ankatoky ny fety izao tokoa mantsy dia tsy misy miala maina sy mora foana amin’ireo fisavàna hatrany amin’ny pitsopitsony indrindra ireo fiara rehetra, mandalo amin’ny sakan’ny zandary. Indrindra fa ireo ao anatin’ny faritra iadidiko », hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay miandraikitra izany ampahan-dalana izany. Nandritra izay fisavàna hatrany amin’ny madinika indrindra izay no nahafahan’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, nahatratra ireto entana tsy ara-dalàna ireto, teo amin’ny PK15+400, tsy lavitra ny « pont bascule », teo Ambohimalaza. Fiara « fourgon » iray no nitondra ireto toaka voarara ireto, izay voalaza fa avy any Toamasina. Marihina fa efa vita tao anaty tavoahangy misy soratra tsara izany toaka izany, kanefa tsy nahasakana ireo zandary, nisava hatramin’ny pitsopitsony ireo taratasy mikasika azy ireo. Nisy taratasim-panjakana maromaro tokoa tany amin’ilay vehivavy, tompon’izany entana izany ary sahiny tsara ny naneho izany tamin’ireo mpitandro filaminana. Rehefa nojerena anefa izany dia fantatra fa taratasy tsy izy ary tsy azo ampiasaina velively tany amin’ny faritra niavian’ilay entana. Ambonin’izay dia saika efa lany daty avokoa izany. Manampy trotraka izany dia misy amin’izy ireo no mbola taratasy hosoka ihany koa. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa nentina avy hatrany teny Ankadilalana mba hatao famotorana ity ramatoa tompon’ireto toaka voarara ireto, niaraka tamin’ilay mpamily an’ilay fiara. Nogiazana, araka ny voalazan’ny lalàna velona eto amintsika kosa ireo entana rehetra tratra. Toraka izay ihany koa, nampidirina am-balantsazy 10 andro avy hatrany ilay fiara. Ankoatra ny lalàna ankapobeny mifehy ny hetra moa, izay tsy maintsy handoavan’ny tompon’ny entana voarara ny lamandy mifanaraka amin’izay (10.000ar isaky ny litatra) dia tsy maintsy misy ny fanenjehana azy araka ny lalàna ady heloka sy ny fanolorana ireto olona voasambotra ireto eny anivon’ny Fampanoavana, aorian’ny famotorana savaranonando ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici