- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimambola : Tokatrano telo nasesin’ny jiolahy notafihana

Ambohimambola : Tokatrano telo nasesin’ny jiolahy notafihana

Nanjaka indray ny jiolahy teny amin’iny faritra Ambohimanambola ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Trano iray izay nisy fianakaviana telo no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra tao amin’ny tanana antsoiana hoe Volomborona amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo tamin’io alina io, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo dia jiolahy nahatratra teo amin’ny fitolahy teo no nanao amboletra niditra tao amin’ity tanana ity. Basy  poleta vita gasy no teny an-tanan’izy ireo raha ny fantatra hatrany. Vao tafiditra ny trano dia voambana basy sy voarahoana avokoa ireo rehetra tao. Sendra ny tampoka sy ny hery tsy mitovy dia tsy afaka nanao n’inona n’inona akory ireto voatafika. Afaka nigalabona tanteraka mihitsy araka izany ireto olon-dratsy, ary tapitra voasava avokoa ireo efitrano rehetra tao amin’ilay trano. Vokany vola mitentina eo amin’ny sivy hetsy ariary no very tao amin’ny fianakaviana voalohany, niaraka tamina zava-tsarobidy isan-karazany. Ny tao amin’ny fianakaviana faharoa kosa dia manodidina fito hetsy ariary no lasa, raha telo hetsy ariary kosa ny an’ireo fianakaviana fahatelo tao amin’ity trano voatafika ity hatrany. Na izany aza anefa dia tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy araka ny vaovao azo. Amin’ny toe-javatra tahak’itony moa dia matetika tsy afaka mikofoka ireo lasibatra, hany ka efa nahavita izay vitany ireo olon-dratsy ary efa lasa nitsoaka vao afaka niantso vonjy izy ireo. Tonga namaly ny antson’ireo olona voatafika ireto avy hatrany ny zandary teny an-toerana. Efa nisy ny fanaovana fanadihadiana sy ny fanaovana savahao ny manodidina rehetra entina hikarohana ireo olon-dratsy.

m.L / T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici