Ny alahady alina dia nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Atsimondrano, na ny marina kokoa teny Ambohimamory sy ny manodidina, ary teny Ampitatafika. Fantatra araka ny vaovao voaray fa trano dimy no indray notetezin’ny jiolahy, mpivarotra, mpanao jeux sy olon-tsotra. Vola an-tapitrisa maro no voalaza fa lasan’ireo mpandroba. Tsy nandeha tanam-polo ireo jiolahy fa nitondra fitaovam-piadina ary izany no nampitahorany ireo rehetra notafihany. Tsy nisy afaka nihetsika ny rehetra ary dia nanaram-po ireo mpangalatra nanao izay danin’ny kibony, indrindra fa ny tao amin’ilay trano filalaovana. Rehefa azony izay nilainy dia lasa izy ireo. Voalaza kosa anefa fa niray hina ny mponina ary nisy ireo sahy nandeha nanenjika. Tsy nisy tratra anefa ireo bandy maromaro ireo.
r.s.