Teny am-baravaran’ny mpamosavy no nanoko sikidy ! Voatifitra soa aman-tsara ireto roa lahy namaky ny tranon’ny renin’ny kaomisera iray teny Antanety Ambohimamory, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Ilay renim-pianakaviana efa 70 taona no monina ao amin’ilay trano io ka saika hohararaotin’ireo jiolahy. Tao an-toerana anefa ilay kaomisera tamin’io ka naheno ny fihanihan’ireto olon-dratsy ny trano. Nandray andraikitra avy hatrany izy niaro ny tananan-dreniny ary nampitandrina ireo olon-dratsy raha vantany vao tafiditra tao anaty tamboho. Tsy taitra anefa ireo fa niroso hatrany ka voatery nitifitra ilay mpitandro filaminana. Voa izy roa lahy saingy mbola tafatsoaka. Ny pao-basy intelo io maraina be io no nanaitra ny manodidina ka niantso ny zandary avy hatrany. Tonga teny an-toerana fotoana fohy taorian’izay ny zandary avy eny Ambohimamory ka tratra tamin’izany ny iray izay voatifitra ka tratran’ny olona. Naratra voatifitra ilay lehilahy io, ary mbola teny aminy ny antsy be nampiasainy. Nanondro ilay namany izy fa taraiky tsy lavitra eo. Hita ihany koa izy io, izay hita fa voatifitra saingy tsy tana ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Mbola hita teny aminy ny baramina sy lampy nampiasainy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy ka ireto no nanokatra ny fanadihadiana. Nentina eny amin’ny hopitaly ilay jiolahy naratra iray. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
DR



