- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimamory : Telolahy mpamaky trano niharan’ny daroka

Ambohimamory : Telolahy mpamaky trano niharan’ny daroka

Tamin’ny kisendrasendra ihany no nahatratrarana olona telo voalaza fa mpamaky trano

Ny alin’ny talata hifoha alarobia, bandy telolahy voalaza fa anisan’ireo namaky trano teny amin’ny faritra Ambohimamory no tratran’ny andrimasom-pokonolona. Io alina io, tsy fantatra na mbola saika hemerina indray izy ireo no sendra nifanehitra tamin’ilay voaroba. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tadidin’ilay olona tsara izy ireo tamin’io fotoana io.Tsy niandry izy fa lasa nampandre ny fokonolona teny an-toerana. Avy hatrany dia raikitra ny fisamborana azy telolahy. Rehefa voasambotra ireto bandy ireto dia niharan’ny hatezeran’ny olona. Nandeha ny daroka. Tsy vitan’izany fa mbola naboridana ihany koa ary avy eo nasaina nandady tamin’ny tany. Samy maratra mafy avokoa ireto jiolahy ireto. Soa aloha fa tsy niafara tamin’ny fahafatesana ny vono nahazo azy ireo. Ny maraina, nampilazana ny polisy eny an-toerana ary dia natolotra azy ireo ireto olon-dratsy. Efa leon’ny fandrobana misesisesy ny mponina eny an-toerana ka samy mailo. Saika isan’andro mantsy, misy vaky trano re eny amin’iny faritra iny.  Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa ny omalin’ny nahatratrarana azy ireo dia nandroba trano telo teny an-toerana ireto bandy ireto. Tamin’izay fotoana izay, voalaza fa andian-jiolahy tsy latsaky ny valo no nanao ny fandrobana nifindrafindra. Sabatra sy fitaovana hanapotehana varavarana no teny amin’izy ireo, hoy ilay voaroba ny alatsinainy.

Amin’izao fotoana izao, mandeha ny fanadihadiana ataon’ny polisy an’ireo telo tratra. Fantatra mantsy fa mbola misy ireo namany karohina.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser