- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola Betafo : Fitaovana fanamboarana basy, niampy basy vita gasy roa saron’ny zandary

Ambohimanambola Betafo : Fitaovana fanamboarana basy, niampy basy vita gasy roa saron’ny zandary

Tafiditra ao anatin’ny “Mandio 2018” izao hetsika  fanadiovana ataon’ny zandary izao ka nahazoana ny vokatra toy izao, hoy ny lefitry ny kaomandin’ny vondrontobim-pileovana eto Vakinankaratra nandritra ny resaka natao ho an’ny mpanao gazety omaly maraina.

Basy vita gasy roa niampy fitaovana maro be fanamboarana basy no sarona tao Ambohimanambola, distrika Betafo, ny alahady 16 septambra lasa teo. Somary nanahirana ihany ny nanatanterahana ny fisavana sy ny fisamborana noho ny fisian’ireo zazamena manao ny asan’ny mpitandro filaminana any an-toerana, satria nosakanan’izy ireo tsy hanao ny asany ny zandary. Nisy anefa ny fifampiresahana sy fandaminana niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany ka afaka nanohy ny asany ihany ny mpitandro filaminana. Tao Iarivokely, fokontany Tsinjoarivo, kaominina Ambohimanambola no nisehoan’ity tranga ity. Nambaran’ny teo anivon’ny zandary fa tsy ara dalàna ny fisian’ireo zazamena sy zazamainty ireo ary misy amin’izy ireo mihitsy no miray tendro amin’ny dahalo.

Roa lahy no vosambotra hatreo, vesatra anenjehana azy ireo ny fanamboarana sy fanaparitahana basy vita gasy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici