Lehilahy izay fantatra fa gadra tafatsoaka no voasambotry ny zandary avy etsy amin’iny “poste avancé”-n’ny zandarimariam-pirenena tetsy Ambohimanambola, ny alarobia alina lasa teo.
Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, raha teo am-panaovana ny fisafoany isan’alina ireto zandary no nahita olona nampiahiahy tamina fiara iray. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo, raha ny fanazavana azo. Nanatona sy nanao ny fisavana. Tamin’izay fotoana izay no fantatra fa saika hangalatra tao anatin’io fiara io, niantsona teo io ranamana ka nentina natao famotorana tany amin’iny biraon’ireto zandary ireto avy hatrany. Tsy vitan’izay anefa, nandritra ny fanadihadiana raha ny fanazavana azo avy tamin’ireo tompon’andraikitra hatrany, dia fantatra fa gadra tafatsoaka ihany koa io lehilahy io, efa fotoana elaela ihany izay. Saingy nipetraka sy nonina tsy nisy niahiahy teny amin’iny faritra iny. Raha ny voalaza mantsy, dia teny am-pitondrana azy ho eny amin’ny tribonaly saika handeha hotsaraina no tafaporitsaka tampoka tamin’ireo mpiambina azy ranamana. Nanomboka teo no tsy hita popoka intsony izay tany nanjavonany, raha tsy izy io voasambotra io indray. Notazonina natao andrimaso eny amin’iny biraon’ny zandary moa ity lehilahy ity, ary mbola mitohy ny famotorana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana azy.
Efa maromaro tokoa izay gadra tafatsoaka izay, raha tsy hiteny afa-tsy ireo nahavaky ny fonja. Efa maromaro ihany koa anefa ireo tafaverina noho ny fikelezan’ireo mpitandro filaminana aina. Saingy na izany na tsy izany, dia misy ireo mbola miriaria any ary inoana marimarina, fa tsy maintsy niverina tamin’ny asa ratsy fanaony taloha. Ary mety ho izay mihitsy io mampirongatra tanteraka ny tsy fandriam-pahelamana amin’izao fotoana izao io, na an-drenivohitra na ambanivohitra. Tànana efa zatra mitsotra mantsy …
m.L