- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Kamiaon’ny orinasa lasa mitatitra rongony

Ambohimanambola : Kamiaon’ny orinasa lasa mitatitra rongony

Mandalo fotsiny ny kamiao dia mandatsaka ny gony. Tsy inona ny ao anatin’izany fa rongony. Etsy Ambohimanambola no fanaovana ny fotoana ary tsy mijanona akory ny fiara fa ny gony kosa no atsipiny. Ny asabotsy teo no nitranga ilay bizina. Efa nisy roa lahy niandry fotsiny ary vao nilatsaka ny gony dia noraofin’ireo avy hatrany. Tsy dia nisy nahatsikaritra firy izany, ankoatry ny polisy izay efa manao fanamiana sivily ka niandry fotsiny ny tranga. Ireo mpitandro ny filaminana mantsy dia efa nisy nampandre mialoha ary nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny alàlan’ny fanaraha-maso teny an-toerana. Iny tokoa fa nisy ny nahiahiana ary dia noraisim-potsiny ireo roa lahy. Nogiazana ireo zava-mahadomelina roa gony izay porofo mitohoka amin’ny tenda hitazonana ireo roa lahy. Efa fantatra koa ny momba ilay orinasa izay tompon’ny kamiao ary mazava hoazy fa tsy maintsy hizotra any amin’izany ny fanadihadiana, satria fitaovana nentina nampiasaina mba hitaterana zava-mahadomelina ireo kamiao amin’ity bizina maloto ity. Ireo mpamily izany, dia mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy ary vesatra izay mampigadra koa izany. Milanja telopolo kilao ireo rongony izay sarona ary fantatra, fa miitatra hatrany amin’ny mpandray an’izany ny fanadihadian’ny polisy etsy Alasora. Matetika mitranga ny fampiasana ny fiaran’ny orinasa malaza toy izao mba hitaterana entana tsy mazava. Ireny mantsy tsy dia iharan’ny fisavana firy, indrindra fa eny amin’ny lalam-pirenena, hany ka mora amin’ny olon-dratsy ny manao kolikoly amin’ny mpamily mba hanatontosana ny asa ratsiny. Ny eto amintsika rahateo tsy mbola misy ny fitaovana fitsirihana, na ny alika mpitsongodia (misy ihany fa voafetra ny raharaha ampiasaina azy) hany ka raha vao mihidy tsara ao amin’ny toerana fametrahana entana dia efa kely ny finoana fa ho hitan’ny mpitandro ny filaminana ny afenina. Dia izany rehetra izany no mitarika ny fanararaotan’ny olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici