Olona roa, ahiana mafy ho jiolahy mpanakan-dalana raindahiny miisa roa, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Lerivo sy Lemôdy, no lavo, rehefa nifanandrina tamin’ny zandary, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrikan’i Betafo, ny sabotsy alina lasa teo.
Andro iray talohan’io fotoana io mantsy dia nahazo antso ny zandary tao an-toerana fa misy andian’olona hafahafa fihetsika mikasa hanao asa, amin’ny fanakanan-dalana tany an-toerana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary, taorian’ny angom-baovao azon’izy ireo ary nametraka paik’ady hisorohana sy hisamborana ireo andian’olona mampiahiahy ireo. Tamin’io alin’ny sabotsy io, tao anatin’ny fisafoana ny toerana voalaza fa hanaovan’izy ireo ny asa ratsy, no nifanehatra tamin’ireo andian’olona tokoa ny zandary, teo atsimon’i Fenoarivo, fokontany Ambilomaro, kaominina Ambohimanambola hatrany. Dimy lahy teo ireto olona ireto, izay samy mirongo basy, ary teo am-pananakanana olona mihitsy. Raikitra avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nitatatata ny basy. Vokany, dia ireo namoy ny ainy ireo ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Araka ny nambaran’ny vaovao hatrany, dia efa olon-dratsy tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony ry zalahy ireto, satria dia efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka kosa, tetsy andanin’izay ireo naman’izy ireo, araka ny tatitra azo. Mbola mandeha araka izany ny fikarohana ireto namany ireto. Taorian’ny fitsirihana kosa dia napetraka any amin’ny tranom-paty ny razan’ireo voatifitra, miandry ny fàkan’ny havany azy. Marihina fa olona samy monina ao Ambohimilemaka avokoa izy roa lahy namoy ny ainy ireto.

