- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Mpifankatia hita faty tanaty rano

Ambohimanambola : Mpifankatia hita faty tanaty rano

Ny alahady hariva teo no nisy loza niseho teny amin’ny faritra Ambohimanambola, tao anaty ranobe. Olona roa, lahy sy vavy, no fantatra fa niara-maty tao anaty rano. Mpifankatia izy ireo, araka ny vaovao voaray avy eny an-toerana. Tsy fantatra marina aloha hatramin’izao izay nahafaty azy roa ireo. Maro ny resaka re teny an-toerana mahakasika izao loza izao. Misy ny nivoy fa namono teny izy roa, lahy sy vavy, noho ny resaka fitiavana voarara. Ary dia izany no nahatonga izao zavatra izao. Etsy andaniny koa anefa, ho an’ireo izay nahita ny fitrangan’ny loza, maro ireo nilaza fa loza ohatra ny faharendrehana anaty rano ihany no niseho. Tamin’izany no nilazana fa nidina nanasa tanana teo amoron-drano ilay vehivavy. Nibolisatra izy ary avy hatrany dia lasa tany. Raha nahita izany ilay olona niaraka taminy dia niezaka namonjy. Rendrika tany anefa izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. Tsy nisy nipoitra intsony izy roa. Mbola ireo nahita ny tranga no niantso ny mpamonjy voina. Natao ny fikarohana ary naharitra ela ihany vao hita ny razana. Efa any amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana amin’izao fotoana izao.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser