- Publicité -
jeudi, décembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Mpitondra taxi-moto maty voatifitra

Ambohimanambola : Mpitondra taxi-moto maty voatifitra

Teny Ambohibato-Ambohimanambola ny alin’ny talata, manodidina ny tamin’ny valo ora, no nisy poa-basy indroa izay nanaitra ny manodidina. Vao nivoaka ny trano ireo mponina dia nandre antso vonjy ary nahita lehilahy naratra mafy, nihosin-drà teo amoron-dalana. Araka ny fanadihadiana voalohany, mpitondra taxi-moto avy aty Tanà io lasibatry ny fanafihana io. Voatifitra indroa izy ary nentin’ireo jiolahy nandositra ny moto nentiny. Ny fangalaràna io kodiaran-droa io hatreto no azo eritreretina ho anton’ity vonoan’olona amin’ny feno habibiana ity. Nolazain’ny mponina eny an-toerana fa tsy voalohany no nisian’ny halatra taxi-moto izay niaro heloka bevava tamin’iny manodidina iny. Mangingina ary maizina ny toerana hany ka manamora ireo ny asaratsin’ireo jiolahy miasa anaty tambajotra. Tsy vitan’ny olona iray matetika ny famonoana ary azo heverina arak’izany fa efa misy miandriandry eo amin’ny toerana voatondro. Folo minitra taorian’ny tifitra no nisy nampandre ny zandary avy ao Ambohimanambola. Tonga haingana teny an-toerana izy ireo, ary nanao ny fisafoana sy ny fampitàna ny vaovao ary koa nanomboka nanokatra fanadihadiana. Nampandrenesina fianakavian’ny maty taorian’izay ary fantatra tamin’izany fa lehilahy avy eny Isotry ity mpitondra taxi-moto namoy aina noho ny hetraketraky ny jiolahy ity. Mandeha ny fanentanana ny taxi-moto ankehitriny mba hitandrina fatratra, indrindra rehefa mitondra olona amin’ny toerana lavitra sy amin’ny alina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici