Avy any amin’iny distrikan’Ambovombe any ireto zava-mahadomelina nafatratra tao anaty gony miisa 36 ireto, ary notaterina tsikelikely teto an-drenivohitra. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no tompon’ireto « entana » ireto ary nosamborina avy hatrany.
Ny talata lasa teo, rehefa nahazo angom-baovao ireo pôlisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny zavamahadomelina (stup) etsy Anosy fa misy olona manangona sy mitahiry rongony eny amin’iny faritra Amoronakona, Ambohimanambola iny dia nidina avy hatrany teny an-toerana. Lehilahy iray no tratra tao ary entana mifatratra amin’ny gony maromaro no hita tao an-tranony. Gony izay marihana fa samy mamofona rongony avokoa. Rehefa nanontaniana ny mahakasika ireto gony ireto ity farany dia nilaza mazava tamin’ireo mpitandro filaminana fa tena rongony tokoa no ao anatin’izy ireo. Nentina nogiazana avy hatrany ireto zava-mahadomelina ary nosamborina teo no ho eo kosa ingahirainy. Nahatratra hatrany amin’ny 560 kilao tany ho any ny lanjan’ireto gony ireto ary rongony tsy nisy fangarony ny tao anatiny.
Tamin’ny fanadihadiana azy, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena no nahafantarana fa « novidiany tamin’olona maromaro tao Ambondro Ambovombe ireto rongony ireto ary notateriny tsikelikey nakaty Antananarivo. 5000 ar no nividianany ny tapa-gony tany Ambondro ary efa nisy 2 volana no nahatongvan’ireo rongony ireo tao an-tranony ka efa eo am-pitadiavana mpividy izy no izao tratra izao ».
Fa ankoatra izay dia rongony nafatratra tao anaty barika miisa roa ihany koa no saron’ny zandarimariam-pirenena tany Ambositra, tao Belohataona, kaominina Ambohijanaka tamin’ny andron’ny alarobia io hatrany. Angom-baovao ihany koa no voarain’ireo zandary ny amin’ny fisiana fiara tsy mataho-dalana iray mitondra rongony anaty barika roa, izay nikasa ny hiakatra aty an-drenivohitra. Napetraka avy hatrany ny sakana ka sarona teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io ny olona roa, vehivavy sy lehilahy tao anatin’ilay fiara. Ankevitry ny efa rain-dahiny amin’ny trafikana rongony ireto olona ireto satria dia nataon’izy ireo tsara afina tao anatin’ireo barika tokoa izany zava-mahadomelina izany. Ary nentin’izy ireo tsy tamin-kahiahy taoriana fiara tsy mataho-dalana « pick up » iray. Raha jerena ety ivelany tokoa mantsy dia tsy misy ahafantarana hoe rongony ny ao anatin’ireo barika ireo fa toy ny solika na menaka entina tsotra ireny. Mitotaly eo amin’ny 140 kilao eo ho eo ny lanjan’ireo zava-mahadomelina rehefa nogiazana. Izy roa ireto kosa dia notazomina natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana.
m.L