Tokantrano iray teny amin’iny faritra Ambohimanambola iny no niharan’ny fanafihan-jiolahy omaly vao maraim-be. Naratra vokatr’izay fanafihana izay ny tompon-trano. Lasan’ireo jiolahy kosa ireo entana rehetra misy vidiny tao an-trano, niaraka tamin’ny firavaka volamena sy vatosoa. Omaly tokony ho tamin’ny iray sy sasany maraina tany ho any no nisy telo lahy tonga nitondra zava-maranitra tao amin’ity tokantrano iray. Nanao amboletra niditra izy ireo, nijaiko ireto mpivady tao anatin’ny torimasony. Nofatoran’ireto olon-dratsy avy hatrany ilay rangahy, ary noratrainy tamin’ny zava-maranitra. Tetsy an-danin’izay kosa, dia norahonany sy notereny hamoaka ny vola rehetra tao an-trano ilay vehivavy. Tsy nisy anefa izany, ka dia ireo fitaovana misy vidiny ireo no nobatain’izy telo lahy ary nitsoaka izy ireo nony avy teo. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy tamin’ny manodidina sy ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Iny alina iny ihany moa dia efa nandeha ny savahao ny manodidina rehetra. Nisy ihany koa fampilazana ireo borigady manodidina, saingy hatreto dia mbola tsy hita tany nanjavonana ireo mpanafika. Ilay naratra kosa efa nentina namonjy toeram-pitsaboana ary efa tsy misy ahiana intsony ny aminy.
m.L