Omaly maraina no fantatra fa namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana iray, lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Ambohimanambola, ny zoma lasa teo. Niezaka ny nanao izay azo atao ireo mpitsabo saingy voa mafy loatra ny tenany vokatr’ireo daroka sy vono nahazo azy, nataon’ireo olon-dratsy.
Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo tokoa dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontanin’Ambohipeno. Tokatrano iray somary mitokana izay no nataon’ny andian-jiolahy lasibatra. Raha ny fanazavana azo dia vola aman’hetsiny maromaro, niampy ireo finday tao an-trano. Tsy vitan’ny naka ny vola fotsiny anefa ireo jiolahy, izay niisa valo, nanao saron-tava, ary nirongo basy sy zava-maranitra, fa mbola nidaroka sy namono ireo tompon-trano. Naratra mafy tamin’izany ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity, niaraka tamin’ny vinantony. Filazan’ny mpitandro filaminana dia tokatrano roa izy ireo no indray niharam-boina tao amin’io tanàna io fa samy mpihavana. Ny iray tao ambony ary ny iray tao ambany.
Nanao izay rehetra nahafahana nidirana tao amin’ity tanàna ity ireo mpanafika, ary raha vao tafiditra dia nandrahona ireo tompon-trano tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany no nataony voalohany ary nitaky vola. Tao anatin’izay no nitranga ny herisetra nahazo ireto mpianaka ireto. Ankevitry ny nisy fifamaliana tao na niezaka nanohitra sy niaro ireo vady aman-janany izy ireo. Tsy nisalasala mihitsy araka izany ireo tsy valahara nidaroka sy nandratra azy ireo. Tetsy andanin’izay, rehefa azon’ireo mpanafika ny vola dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo, nanapoaka basy. Tamin’io fotoana io ihany no nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ireto naratra. Ilay rangahy voa mafy no voatery nentina nihazo ny hopitaly, saingy indrisy moa fa izao namoy ny ainy izao.
Azo heverina fa toa efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin’ireto mpanafika fa nifanandrify na taoriana kelin’ilay afomanga tetsy By-pass ilay fanafihana. Maro no nihevitra fa mbola feon’ afomanga ny poa-basy nitranga, eny fa ireo mpitandro filaminana dia mety ho nihevitra izany. Hany ka somary nisy fahatarana ny fahatongavan’izy ireo namonjy ireto voatafika. Efa nadio tanteraka mantsy ny rano nitan’ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nidinan’izy ireo teny an-toerana. Nisy ihany ny fanenjehana natao, satria fantatra ny lalana nitsoahan’ireo jiolahy, izay nivoaka an’i By pass iny, saingy efa tsy hita intsony izy ireo. « Efa misy ihany ny angom-baovao henonay mahakasika ny mombamomba ireo olon-dratsy ary efa mitrandraka izany izahay » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandary teny an-toerana.
m.L