- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Voaambana basy, lasa ny môtô

Ambohimanambola : Voaambana basy, lasa ny môtô

Amin’ny andro antoandro no nitranga ny fanafihana teo Ampahimanga-Ambohimanambola tamin’ny alahady maraina, tsy mifanalavitra amin’ny sampanan-dàlana mankeny amin’ireo hotely lehibe eo an-toerana. Tovolahy iray nitondra kodiaran-droa izay hamboarina ary nifanao fotoana tamin’ny mpikarakara izany no voaroba. Izy mba nipetrapetraka eo ambony môtô mandram-pahatongan’ny olona no nipoitra avy any ny roa lahy hafa mihitsy ary tsy misaron-tava fa kosa nanao aroloha. Mody nanontany izy ireo ny misy ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka. Vao teo am-pamaliana izany ka hitan’izy ireo fa nangingina teo an-toerana dia avy hatrany dia nambanana tamin’ny fitaovam-piadiana. Nasaina nidina ary nanome ny fanalahidy. Tsy nisy azo natao intsony ankoatry ny nanara-maso ary nanganohano. Lasa ary tsy nikoropaka akory ireo olon-dratsy raha niala teo. Nampandrenesin’ilay lehilahy voaroba izay monina eo Ambohimanambola ihany ny zandary. Soa fa nanana sarin’ilay moto fony mbola tsy very izy. Iny no naparitaka ary mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana. Maromaro indray ny mitaraina ho very na voaroba môtô tato ho ato. Isan’ny fanaovan’ireo olon-dratsy ny asaratsiny ny làlana mizotra Ambohitrimanjaka, ny rocade koa. Tsy vitan’izany fa misy koa ireo na efa mipirina anaty efitrano aza ny môtô dia mbola tafiditr’ireo ihany, indrindra raha tsy misy tamboho sy vavahady vy. Ny mampiroborobo izany rehetra izany dia mora loatra ny mivarotra moto satria « facture » izay mety ho sandoka dia vita. Eo koa anefa ireo mananoridana tanteraka ny kodiaran-droa ary amin’ireo olon-dratsy amin’ny atsinjarany avy eo ny piesy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici