- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Zandary iray ihany koa novonoina tao an-tranony

Ambohimanambola : Zandary iray ihany koa novonoina tao an-tranony

Niendrika vaky trano indray ity zava-nitranga tetsy Ambohimanambola ity omaly. Zandary am-perina’asa iray, araka ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny zandary, no nisy namono tao an-tranony, tetsy Ambohibato Ambohimanambola. Olona roa no efa tratra tamin’izany. Tokony ho tamin’ny iraika ambiny folo ora teo no nahazo antso vonjy ny teo anivon’ny zandary mahakasika resaka tsy fandriampahelamana, fanafihana tamin’ny trano iray tetsy Ambohibato, Ambohimanambola. Niditra avy hatrany teny an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobimparitra eny an-toerana, saingy efa vatana mangatsiakan’ny lehilahy 53 taona, mihosin-drà no tratran’izy ireo. Tsy azo ihodivirana fa nisy tokoa ny fanafihana ilay trano ary niafara tamin’ny vono olona izany. Nisy avy hatrany ny fanaovana savahao ny manodidina sy ny fitsirihana ny zava-nisy. Nampiantso fanampina avy amin’ny Vondron-tobim-paritra Antananarivo renivohitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, indrindra moa rehefa fantatra fa naman’izy ireo, ary mbola am-perinasa, ity maty nisy namono ity. Tonga teny an-toerana iretsy nantsoina niaraka tamin’ny Lefitry ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra. Napetraka ny fisafoana sy ny fisavàna ireo faritra rehetra ary nitondra vokany soa aman-tsara izany. Tsy ela tokoa mantsy dia nisy olona roa nampiahiahy nosamborina avy hatrany. « Ananana porofo nivaingana, ho isan’ireo nanafika sy nandroba ka niafara tamin’io vono olona io izy ireto », hoy ny fanazavàna nomen’ity manamboninahitra ity. Na izany na tsy izany dia mbola hitohy hatrany ny famotorana sy ny fanadihadiana atao mahakasika ity raharaha ity, fa tsy hijanona hatreo akory. Marihana fa tsy mbola fantatra mazava ny zavatra very sy nalain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, raha ny vaovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici