- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Zavatra nipoaka mafy, mpiambina iray kilan’ny afo

Ambohimanambola : Zavatra nipoaka mafy, mpiambina iray kilan’ny afo

Ny alin’ny sabotsy lasa teo tamin’ny 11 ora alina, nisy fipoahana mafy niseho teny Ambohimanambola. Nitarika fahamaizana izany zavatra izany. Tamin’io ora io, mpiambina iray 42 taona, no may kilan’ny afo tao. Na izany aza anefa, mbola afaka nandeha nanavotra aina ihany izy ary nivoaka ny faritra noraisin’ny afo. Nisy namany ihany koa nanampy azy tamin’izany. Kilan’ny afo ny tarehiny, ny volony ary ampahany maro amin’ny vatany. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA izy amin’izao fotoana iao. Voalaza fa pylone iray lehibe io nipoaka io ary tsy fantatra marina ny nahatonga izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser