Raha ny hoe vehivavy teraka an-dalana dia angamba efa fahenon’ny rehetra izany. Saingy ity tranga hafakely ity kosa dia niseho teny Ambohimanandray tao anatina taxi-be 114. Vehivavy iray, izay isan’ny mpandeha tao anatin’ity fiara fitateram-bahoaka ity no teraka tao anatiny, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Raha ny zava-nitranga dia toa hoe efa nandre fihetsehana voalohany ity renim-pianakaviana ity saingy mbola nieritreritra fa ho tongany any amin’ny toeram-pitsaboana ihany ity zanany, izay efa niomana ny hilatsaka. Kanjo nony tonga teo Ambohimanandray, dia nitaraina ny narary azy mafy ity renim-pianakaviana ity. Teo no nikoropaka avokoa ireo tao anatin’ny fiara, niaraka tamin’ny mpamily sy ny mpanampiny, nitondra ity vehivavy efa ho teraka ity ho any amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra, teny Ambohibao. Tsy tody tany amin’ny hôpitaly intsony anefa fa teny an-dalana dia latsaka ity zazakely. Tsy nisy olana ary tsy nisedra fahasarotana akory ilay reniny. Noraisin’ireo tompon’andraikitra an-tanana avy hatrany moa izy mianaka ireto raha vao tonga tany an-toerana. Raha ny angom-baovao azo dia salama tsara ity renim-pianakaviana teraka tanaty taxi-be ity. Toraka izany ihany koa ilay zanany vao teraka, izay tsy mba nisafidy ny hokolokoloina sy hokarakaraina teny ambonina fandriana fiterahana fa teo an-dalan-tsarana « taxibe ».
Nangonin’i m.L