Tranga nahavalalanina ny rehetra no niseho tsy lavitra ny tsenan’ Ambohimanarina, ny alin’ny asabotsy nifoha alahady omaly, tokony ho tany min’ny roa ora naraina tany ho any, satria tovovavy iray manodidina ny 16 taona eo no voalaza fa nitera-drery lahikely. Ny tomanin’ilay zazamenavava vao latsaka sy ny fitarainan’ny reniny mafy no nanaitra an’ireo teo amin’ny manodidina, tamin’ny torimasony. Rehefa nojerena izany, dia tovovavy efa nihosin-drà reraka no hita. Raha ny fanazavana azo, dia avy any ambanivohitra ary nikarama niasa an-trano no nahatongavan’ ity tovovavy kamboty ray sy reny ity teto Andrenivohitra, kanefa rehefa nitondra vohoka teo amin’ny fahenim-bolana izy, dia noroahin’ny mpampiasa azy ka nirenireny teny rehetra teny, satria tsy nanambola intsony nodiana tany aminy. Rehefa nanontaniana sy nofotorana mafy ity tovovavy ity, dia tsy nety nilaza na nanoro mihitsy ny rain-janany; izay nahabevohoka azy.
Eric Manitrisa