Fantatra fa nahafaty ankizy iray izany, teny amin’ny faritra Ambohimanarina iny omaly, ny litchis. Araka ny vaovao voaray dia kendan’ny voan’io voankazo io ity ankizy ity ary namoy ny ainy tamin’izany. Araka ny fantatra dia niara-nividy litchis sy niara-nihinana izany izy sy namany telo, raha ny fitantaran’ny olona nahita ny zava-nitranga. Ankevitry ny sady nilalao sa nifaninana izy ireo teo am-pihinana ity voankazo ity. Voatelina tampok’ity ankizy lahikely manodidina ny 13 taona teo ho eo ity voan’ity litchis. Kenda tsy avy niaina izy avy eo. Nony hitan’ireo namany fa tena kenda sy sempotra ity namany, raha ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana, niantsoana olona hamonjy. Nentina avy hatrany tamin’ny toeram-pitsaboana ity ankizy ity ,saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, raha ny loharanom-baovao azo hatrany. Fahavokaran’ny licthis amin’izao fotoana izao. Mitobaka mihitsy ity voankazo iray ity eny an-tsena. Mila fitandremana araka izany ny fihinana azy, indrindra fa ho an’ireo ankizy, hialàna ny toe-javatra mampalahelo tahak’izao. Ankoatr’izay fitandremana izay, ilay fahaiza-miaina ihany koa tokony hapetraky ny tsirairay mihitsy, manomboka any amin’ireo manampahefana ka hatraty amin’ny vahoaka madinika, tsy hanaparitahana ny fako sy hodiny etsy sy eroa.
m.L