- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Hala-jaza, saika raikitra indray ny fitsaram-bahoaka

Ambohimanarina : Hala-jaza, saika raikitra indray ny fitsaram-bahoaka

Nisavorovoro Ambohimanarina iray vohitra omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka tany ho any. Resaka hala-jaza no saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka sy ny fanimban-javatra teny an-toerana. Olona efatra nandeha fiara “Golf” mena, nambaran’ireo mponina teny an-toerana fa efa nenjehin’ny olona iray nandeha môtô, hatrany Antohomadinika no tratra teo Ambodivonakely Ambohimanarinala, tao anaty fitohanana. Avy hatrany dia nosakanan’ireo mpitandro filaminana nifehy ny fifamoivoizana teo amin’io toerana io ilay fiara. Niely toy ny rivotra ihany koa ny feo ka vetivety dia vorilanona ny olona tezitra sy efa leo amin’ity resaka hala-jaza ity. Nitaky ny hamoahana ireo olona tao anatin’ity fiara ity. Nambaran’ireo mponina tamin’izany fa nahitana zaza miisa dimy rahateo tao anatin’ity fiara ity, izay toa nanamarina ilay siosion-dresaka ny amin’ny maha mpangala-jaza ireto olona ireto. Nanamboka niakatra afo ny olona ary raikitra ny “avohay hofaizina”. Tahotry ny mety ho fihitaran’ity korontana ity dia voatery niantso ireo pôlisin’ny kaomisaria tao Ambohimanarina ireo mpitandro filaminana nifehy ny fifamoivoizana teo amin’io toerana io ary voatery nampiakarina tany Anosisoa ireto olona ireto, narahina mpitandro filaminana, niaro azy ireo amin’ny hatezeram-bahoaka. Vao mainka nihanitombo ny olona, niha niakatra ny feo, tsy hiarovana ireo olona ireo. Nisy nanapotika rahateo ny fitaratra aorian’ilay fiara nandehan’ireo olona ireo. Teo anatrehan’izay, nanampy teny an-toerana ihany koa ny pôlisy avy ao amin’ny UIR. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ity kaomisaria teny Ambohimanarina ity dia nanapa-kevitra izy ireo ny handefa ireto olona ireto ho any amin’ny kaomisaria foibe eny Tsaralalàna. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany tao amin’ity toerana ity dia ho fiarovana ny ain’ireo olona ireo no antony namindrana azy ireo ho eny Tsaralalàna. Ary nambarany fa tsy mpangala-jaza izany ireo olona ireo fa ny mifanohitra amin’izany aza. Satria dia olona very zanaka ary efa misy fitarainana amin’izany ao amin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Nahare feo izy ireo fa hoe misy olona mitazona zaza eny Ivato ka nanapa-kevitra ny handeha ho eny, raha ny fanazavana azo hatrany. Rehefa noraisina ny fanambarana nataon’izy ireo dia efa nalefa nody ireo olona ireo, raha ny filazan’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Etsy andanin’izay, tsy misy rahateo ny mpitory ka tsy misy antony tokony hitazomana azy ireo eny an-toerana, raha ny nambara hatrany. Nandà ny amin’ny fisian’ireo zaza hitan’ny olona tao anaty fiara kosa ireo pôlisy, na ny teny Ambohimanarina na tetsy Tsaralalàna, raha nanontaniana ny mikasika izany. Inona no tena marina ? Andrasan’ny besinimaro araka izany ny mety ho tohin’ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser