Mirongatra ny asan-jiolahy, tsy andro tsy alina fa dia miseho lany hatrany ny fandrobana sy vaky trano
Tsy afaka nihetsika fa dia noraism-potsiny ireto olona roalahy namaky trano teny Ambatolampy Ambohimanarina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tamin’io 9 ora omaly maraina no nanaovany izany. Tsy tao ny tompon-trano tamin’izay ary dia izany no nohararaotin’ireo mpangalatra. Nisy nahita anefa izy ireo satria nopotehany aloha ny gadana nanidy ny vavahady. Rehefa izany, nopotehany ihany koa ny varavarana miditra tao an-trano. Ireo olona nahita ny fandehan-javatra no nnaitra ny manodidina. Niara-nientana avy hatrany fokonolona. Tonga dia nandeha teny amin’ilay trano. Raha nahita izany ireo jiolahy dia niezaka niafina tany angabone. Tonga ihany koa ny polisy avy ao amin’ny 6e arrondissement rehefa naharay ny vaovao. Ireto farany no nisambotra azy roalahy. Nantsoina koa ny tompon’ny trano. Nentina natao famorotana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy. Anio izy ireo no hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana. Saika isan’andro no handrenesana vaky trano sy fandrobana eto an-drenivohitra. Amin’izao fotoana izao, tsy miandry ny alina be ry zalahy dia mamely sahala izay niseho teny Andavamamba sy teny Antohomadinika ny sabotsy sy ny alatsinainy lasa teo.