- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Jiolahy roa voasambotra, nalefa eny Tsiafahy

Ambohimanarina : Jiolahy roa voasambotra, nalefa eny Tsiafahy

Anisan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny teny Ambohimanarina izy roalahy ireo.
Anisan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny teny Ambohimanarina izy roalahy ireo.

Nahafantatra azy roalahy ireto ny ampahan’ny olona nanontaniana fa tena jiolahy tokoa izy ireo.

Nahitana vokany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nahazo vaovao ry zareo fa misy jiolahy monina eny amin’ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina iny. Tsy niandry fa nandeha nanamarina ny vaovao teny an-toerana ny avy ao amin’ny BC 4. Teny Ambatolampy Avaratanana izy ireo no nivantana. Rehefa nojerena dia olona roa no nosamborina teny dia izany R. Maminiriana izany na Mamy, 29 taona, sy A. Germain na i Doris, 30 taona. Tamin’ny talata maraina teo ny fotoana nisamborana azy roalahy ireo. Tsy nionona tamin’ny fisamborana fotsiny ireo mpitandro filaminana fa nanao fanadihadiana teny amin’ny manodidina, ka anisan’izany ireo olona fantatra fa efa niharan’ny fanafihana. Nanamarina ireo farany fa isan’ireo jiolahy ireto nosamborina ireto. Mbola misy namany maromaro miriaria any, araka ny vaovao ihany. Omaly izy ireo no nandalo teny amin’ny Fampanoavana ary dia nampidirina vonjimaika eny amin’ny Fonjan‘i Tsiafahy.

Mba hisian’ny fahombiazana toy izao dia manentana hatrany ny polisim-pirenena mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka na ny olon-tsotra hanome vaovao raha misy ny tranga mampiahiahy fa tànana ho tsiambaratelo ny momba ilay mpanome vaovao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser