- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Kamiô nitatitra tany, nidona tamin’ny pôtô

Ambohimanarina : Kamiô nitatitra tany, nidona tamin’ny pôtô

Fiarabe iray no nidofotra tamin’ny andrin-jiro omaly teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Vokany, simba tanteraka ilay andrin-jiro, potika ihany koa ilay fiarabe, ary naratra mafy ny mpamily. Araka ny fanazavàna azo dia nanana olana ara-teknika ity fiarabe ity, izay nitondra ranon-tany aman-taoniny, raha iny hizotra amina fidinana iny. Izy rahateo ihany koa somary nandeha mafy, satria mbola nalalaka tsara ny lalana tamin’io maraina. Niezaka nampijanona ilay fiara ihany ny mpamily saingy tsy nisy azo natao. Hany heriny dia nadofotra tamin’ny andrin-jiro izany. Teo anefa vao mainka loza satria dia noho ny vesatr’ilay fiara sy ny hafainganam-pandehany dia tsy nahatanty ny dona nahazo azy ilay andrin-jiro ka nitolefika sy potika tanteraka. Toraka izany ihany koa ny lohan’ilay fiarabe. Nifamonjena tao anatiny moa ilay mpamily, izay voatery nosokirin’ireo mponina nanatri-maso tao anatin’ilay korontam-by. Ambonin’ny faharatrarana nahazo azy, vokatry ny dona dia fantatra fa mbola main’ny môtera ihany koa tongony. Efa nentina novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly moa ity rangahy ity. Fa ambonin’ny fahavoazana nahazo ilay mpamily sy ny fiarany dia nitondra takaitra ihany koa ireo mponina teny an-toerana, vokatry ny fahasimban’ilay andrin-jiro. Tapaka efa ho ora maromaro mantsy ny jiro teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny, saingy efa niverina tamin’ny laoniny izany fotoana ela taty aoriana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici