Kilaoty mena kely sisa teny an-kodiny ary efa mikarainkona ny tanany. Vatana mangatsiakana tovolahy iray, hita tao anaty dobo, teny Antsahamasina, Ambohimarina omaly maraina.
Efa fotoana maromaro izay no tsy nahenoana famonoana olona na fanafihan-jiolahy teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Samy taitra sy nikoropaka avokoa anefa ny olona omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 teo ho eo, raha nahita an’ity zavatra nitsingevana, miendrika vatan’olona, nafenin’ireo tsikafonkafona, tao anatina dobo iray teny Antsahamasina, fokontany Ambohimandroso, Ambohimanarina. Nitangorona avy hatrany ny olona. Tovolahy iray manodidina ny 25 taona teo ho eo ity hita faty ity. Tsy nahitana fitafiana ankoatra ny kilaoty kely miloko mena teny an-kodiny. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nizaha ny zava-misy. Narahin’ireo mpamonjy voina sy ny BMH fotoana fohy taty aoriana. Efa somary elaela ihany koa angamba izy no tao anaty rano tao, raha ny filazan’ireo mpitandro filaminana, satria dia efa mikainkona ny tanany. Raha ny fahitana ny razana teny an-toerana dia nahitana ratra ny kihony sy teo amin’ny lohaliny. Nisy hoditra niendaka ihany tamin’ny faritra sasany tamin’ny vatany. Mivonto ny molony ambany ary manodidina ny masony roa, sy ny felan-tanany dia nahitana izay fiendahan’ny hoditra izay, toa ireny avy nodorana ireny. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahafaty ity lehilahy ity. Ankevitry ny nampijaliana ve ity olona ity dia nariana tao ny fatiny, na ihany koa mamo dia nianjera tao anaty dobo? Ity faritra ity mantsy dia fantatra fa tsy mifefy akory ary ahafahana miampita eny amin’ny toerana hafa, raha ny voalazan’ireo mponina. Fantatra ihany koa fa marivo ity dobo ity ka tsy tokony hahafaty, raha ny filazan’izy ireo hatrany. Teo anoloan’izany tranga rehetra izany dia efa niely sahady ny resabe teny an-toerana fa hoe nesorina ny mason’ity tovolahy hita faty ity, niaraka tamin’ny lelany ary nofatorana ny tongony. Raha ity resaka farany ity dia fantatra fa ny fomba nampiakaran’ny mpamonjy voina ny razana no nahatonga izany. Mijanona ho tsaho niely fotsiny ihany anefa, araka izany, ary ny fizahana ataon’ny mpitsabo irery no tokony hahafantatra ny tena zavatra nihatra ka nahafaty ity lehilahy ity. Hatreto aloha, na ireo olona teny an-toerana aza, dia tsy misy mahalala ity tovolahy maty ity. Fa angamba olona vahiny eny an-toerana izy io. Tsy nisy ihany koa havan’ity maty ity nijery ny razana, na teny an-toerana, na tany amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly.
m.L