Olona roa no tratra ary fantatra fa namono nahafaty lehilahy iray teny Antanety Ambohimanarina tamin’ny fah-7 aprily teo. Fifamaliana teo amin’ny samy olona teo an-tanàna no nahatonga ity vonoan’olona ity.Tsatoka antsy teo amin’ny lamosiny no nahafaty ilay tovolahy. Ireo mpamono kosa lasa nandositra rehefa fantatr’izy ireo fa maty ilay olona dia niafina tao an-tranony izy ireo. Nampandre ny BC1 ny fianakavian’ilay olona maty any ka teny Antanety Avaratra Ambohimanarina ny marainan’ny talata 7 Aprily 2015 no nahitana ny vata mangatsiakan’ny havany. Raha ny vaovao voaray dia ny Alatsinainy, 6 Aprily 2015 tolakandro dia nisy andian-jatovo nifampotoana hirevirevy teny amin’ny faritra Antanety Avaratra Ambohimanarina. Tokony teo amin’ny 9 lahy teo ry zareo, rehefa nandeha ny fotoana dia niala tsikelikely ry zareo ka telo lahy sisa no tavela teo izay efa mamo avokoa : RAVONJATOVO Elio na i TOVO -RAKOTONIAINA Rova Adrien na i ROVA -NAMBININTSOA Fetra. Raikitra ny fifamaliana teo amin’i TOVO sy ROVA tokony tamin’ny 9 ora alina, mody lasa nandeha nody i ROVA ka namela an’i Fetra sy Tovo. 10 minitra avy eo dia niverina izy nitondra antsy lava teo amin’ny 30 cm teo teny an-tanany. Avy hatrany dia nenjehiny i Tovo ka nolerany tamin’ilay antsy tao an-damosiny. Maty tsy tra-drano avy hatrany i Tovo rehefa voatsindrona, ka dia lasa nitsoaka i Rova sy i Fetra. Ny Talata, 7 Aprily 2015 maraina no hita teo an-tokotanin’ny Reniny teny Antanety Avaratra Ambohimanarina ny fatin’i Tovo. Nanomboka teo ny fikarohan’ny Polisy ao amin’ny Brigade Criminelle sakelika voalohany etsy ANOSY. Nahazo vaovao ny Polisy fa miafina ao an-tranony ihany i Rova sy i Fetra ka dia natao sarika am-pandriana. Ka, ny 29 Aprily 2015 maraina tokony tamin’ny 6 ora no tratra tao an-tranony i Rova sy i Fetra. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky i Fetra fa i Rova no namono nahafaty an’i Tovo, i Rova kosa nanda hatrany.Natolotra ny fampanoavana ny 30 Aprily 2015 ny nahavanon-doza. Ho hitantantsika ny tohin’ity raharaha ity…
Articles qui pourraient vous intéresser