- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Lehilahy lehibe hita faty tao an-tranony

Ambohimanarina : Lehilahy lehibe hita faty tao an-tranony

Tamin’ny alarobia alina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray efa tena lehibe tokoa teny amin’ny faritra Ambohimanarina. Voalazan’ny vaovao fa mipetraka irery ity olona ity. Samy gaga ny olona rehefa maraina ny andro fa tsy mbola nivoha foana ny tranony. Zavatra tsy dia mba fahita izany. Tapaka ny hevitra fa hovahana ny trano. Samy gaga ny rehetra nahita ny fatiny tsy lavitra ny varavarana. Tonga moa dia nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena akaiky ny razana dia voamarika fa nisy hafahfa ity fahafatesana ity. Manahy mafy ny rehetra fa toa nisy namono ilay rangahy lehibe.

Efa natao omaly ihany ny fitiliana rehetra ahafantarana marina izay tena fandehan-javatra. Misokatra koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser