- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mampiasa ody gasy ireo mpanendaka rehefa manao ny asa ratsiny

Ambohimanarina : Mampiasa ody gasy ireo mpanendaka rehefa manao ny asa ratsiny

Voaporofo ankehitriny raha ity tranga iray teny Ambhimanarina ity, fa ankoatra ny fifohana rongony dia mampiasa ody gasy koa ireo jiolahy mpangarom-paosy rehefa manao ny asa ratsiny. Tamin’ny 25 martsa lasa teo, lehilahy roa 21 taona sy 30 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-6 eny Ambohimanarina, tamin’ny resaka harom-paosy. Nahatsikaritra  lehilahy telo  nihaodihaody sady kaodikaody teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana ka nanara-maso iretsy voalohany. Rehefa nahita ireo polisy anefa ireo olona ireo, dia nirifatra nandositra avy hatrany. Satria efa fantatra fa toerana fivezivezen’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka io toerana nahitana azy ireo, dia raikitra ny fanenjehana ka tratra tsy lavitra teo ny roa lahy. Ny iray hafa kosa tafaporitsaka. Tamin’ny fisavana azy ireo dia nahitana rongony fonosana na baomba iray ilay voalohany. Ody gasy sy ranomanitra kosa no hita tany amin’ilay faharoa. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana, fa any Antohomadinika ireto jiolahy ireto no mipetraka fa manafika tsena eny Ambohimanarina mba hanaovany ny asa ratsiny. Dia io fampiasana ody gasy io tokoa ve no mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy hahatsiaro tena fa toa varimbariana sy tsy mahatsiaro tena raha tsy efa voaroba ny paosy na ny entana entiny ?

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici