- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mirongatra ny sinto-mahery eny amin’ny arrêt bus

Ambohimanarina : Mirongatra ny sinto-mahery eny amin’ny arrêt bus

Tato ho ato indrindra taorian’ny nampahalalaka ny fepetra amin’ny fivezivezena an-dalambe vokatry ny fanalefahana ny fepetra fiarovana amin’ny valanaretina Covid-19 izay dia mirongatra indray ny haro-paosy sy ny sinto-mahery eny amin’ireo toeram-piantsonan’ireny fiara fitanteram-bahoaka (arrêt bus) ireny. Araka ny vaovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia maro ny fitarainana voarain’izy ireo mikasika io asa ratsy io. Betsaka ihany koa ireo olona efa niharan’izany. Mba hiadiana amin’izany dia nanapa-kevitra ny avy ao amin’ny kaomisaria ny polisy ao Ambohimanarina fa hanao hetsika manokana na « opération spécial » ny alakamisy teo. Naparitaka eny amin’ireny toerana irany ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ankoatra ireo izay miandraikitra ny filaminana ankapobeny eny andalam-be sy elakelantrano. Nahitam-bokany izany satria  lehilahy iray 20 taona no voasambotry ny polisy mpanao fisafoana teny Ambodimita raha iny izy nanao ny asa-ratsiny iny, io alakamisy io tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Avy Teo amin’ny arrêt bus Ambodimita ranamana no sarona. Taorian’izay dia nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy ity jiolahy ity mba hanaovana fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ka nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fitsarana azy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici