- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpamaky trano nifanenjahana

Ambohimanarina : Mpamaky trano nifanenjahana

Ny alin’ny alakamisy lasa teo dia andian-jiolahy saika hamaky trano no nifanehatra tamin’ny pôlisy, izay tonga haingana teny an-toerana, teny Ambodihady Ambohimanarina. Raikitra ny fifanenjahana, saingy tafaporitsaka nihazo elakelan-trano sy nafenin’ny haizina ireto olon-dratsy. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana mifehy iny faritra iny dia raha vao nanomboka nihaodihaody teo amin’ilay tanàna ireto jiolahy no efa mailo ireo tompon-trano ka nampiantso avy hatrany ny pôlisy. Efa teo am-pisokirana ny varavarana mihitsy izy ireo no tojo ireo mpitandro filaminana ka rifatra nitsoaka. Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny, araka izany, izy ireo. Na izany aza tsy mipetra-potsiny ireto mpanenjika fa mbola manohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto hatrany, raha ny fantatra. Eo amin’izay lafiny izay indrindra, raha voalaza hatramin’izay fa faritra mena iny Ambohimanarina iny dia efa manomboka milamina izy hatreto, araka ny filazan’ny tompon’andraikitry pôlisy misahana iny faritra iny. Ity farany rahateo nilaza fa manao izay azony atao izy sy ireo mpitandro filaminana eo ambany fifehezany, hitandroana izay filaminan’ny tanàna izay. Na izany aza anefa, zavatra isan’ny mahatalanjona ireo mpanara-baovao ny fisian’ireo olona voasambotra hitam-poko sy ambara fa tratra ambodiomby manao asa ratsy izao, kanefa miriaria indray eny amin’ny fiaraha-monina sy miverina ihany koa manao ny ataony, fotoana fohy monja taorian’ny fisamborana azy. Hany ka na misy aza ny ezaka sy ny hetsika atao hamongorona izay firongatry ny jiolahy izay dia toa zava-poana ihany. Ny eo ihany tsinona no miverina, voasambotra androany, mivoaka rahampitso. Mipetraka ny fanontaniana : aiza sa iza ary no lesoka ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser