- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpamaky trano roa voasambotra

Ambohimanarina : Mpamaky trano roa voasambotra

Ny sabotsy alina teo, nanao fisafoana ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohimanarina. Izany moa dia tafiditra amin’ny famongorana  ny asa ratsy ataon’ny mpamaky trano sy mpandroba isan-karazany. Tamin’izany indrindra no nahitana olona roa teo am-pisokirana ny varavaran’ny fivarotana iray teny Anosivavaka. Efa tamin’ny 2 ora maraina tamin’izay. Raha ny marina kokoa, hitan’ny mponina manodidina ny zavatra nataon’ireo mpangalatra ary nampandre ny polisy izy ireo. Tsy afaka nihetsika ireo roa lahy fa noraisim-potsiny teo. Ny iray dia efa fantatry ny mpitandro filaminana, satria vao nivoaka ny fonja. Fanomezantsoa no anarany. Roa taona izy no nigadra noho ny resaka vaky trano ihany. Vao nivoaka anefa dia namerin-keloka. Heriniaina ny faharoa. Samy eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny izy ireo no monina. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy roalahy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser