- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpanao baolina nisy namono, hadihadiana eny amin’ny polisy ny sipany

Ambohimanarina : Mpanao baolina nisy namono, hadihadiana eny amin’ny polisy ny sipany

Tovovavy iray no voatazona hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisy nanomboka ny sabotsy teo noho ny fahafatesana tovolahy mpanao baolina antsoina Ramiarilanto Robertho Patrick Dominique (Dom) nisy namono teny Ambohimanarina tamin’ny herin’ny Alahady lasa teo. Tamin’io fotona io, raha araka ny fanazan’ny fianakavian’ny maty dia nisy lalao nataon’ity farany niaraka tamin’ny namany. Rehefa vita izany dia tonga aloha tao an-trano izy. Fihetsika tsy dia mahazatra ny fianakaviany satria mpody alina foana izy hatramin’ny nisarahany tamin’ny tovovavy iray izay niaraka taminy rehefa  tsy nankasitrahan’ny ray aman-dreniny ny fiarahan’izy ireo. Tonga dia nandeha natory izy raha vao tonga tao an-trano nefa hita fa naratra. Indrisy anefa fa raha vao mivadika izy eo am-pandriana dia mandeha ra ireo ratra teny amin’ny tenany izay voalaza fa tamin’ny faritra saro-pady avokoa. Nanoloana izany dia nentin’ireo fianakaviany teny amin’ny hôpitaly izy saingy tsy avotra intsony ny ainy rehefa tonga teny fa vatana mangatsiaka no nentina nody. Tato aoriana, tonga tao amin’ny fianakavian’ny maty ny tovovavy iray izay naman’ilay sipan’ity tovolahy maty teo aloha, voalaza etsy ambony. Nilaza ity vehivavy ity, izay fantatra fa miaraka amin’i Dom ihany koa araka ny fanazavana, fa mahafantatra ny marina momba izao vono olona izao. Nanontany azy araka izany ny fianakavian’ny maty raha vonona hijoro ho vavolombelona mikasika izany eny amin’ny polisy ny tenany. Nekeny tokoa izany ka dia nanatona teny amin’ny polisy tokoa izy ireo. Nandritra ny famotorana anefa dia nanapa-kevitra ny mpitandro ny filaminana fa hitazona ity tovovavy ity. Mandeha araka izany ny famotorana mahakasika ity vono olona ity.

T .M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici