Handevina ny maty no nalehan’ireto fianakaviana ireto, kanjo fahafatesana indray no notsenaina avy any ! Lehilahy telo tao anatin’ny fianakaviana iray, monina etsy Ambohimanarina, no indray namoy ny ainy tany amin’iny faritra Behenjy iny raha saika handevina ny havany maty. Hatsiaka nateraky ny faharatsian’ny toetr’andro niharo havizanana no voalaza fa nahafaty ireo olona ireo. Ny zoma lasa teo, tao anatin’ny rivo-doza tanteraka, no niseho ity tranga mampalaelo ity. Taorian’ity voina fanindroany nitranga tamin’ireo fianakaviana ity dia efa niely izay tsy izy ny resaka isan-karazany teny an-toerana. Toy ny hoe areti-mifindra no nahafaty ireo, teo ihany koa ireo nino ny fisian’ny ozona ratsy ka nahafaty ireo olona ireo. Nampiahiahy ny rehetra ihany mantsy ity tranga namoizana olona telo be izao ity. Vinavina ny hoe sao mety ho fihinanana hanina na zava-pisotro nisy poizina tany am-pandevenana tany, ohatra, no anton’izao. Raha ny zava-nisy dia nidonam-pahoriana ireto fianakaviana ireto, ny herinandro lasa teo. Toerana lavidavitra ny renivohitra ihany tamin’izay fotoana izay no saika hitondrana ny razana, any amin’iny faritra Ambatolampy iny. Nony tonga teo Behenjy anefa ny fiara nitondra azy ireo dia nilaza fa tsy afaka intsony noho ny haratsin’ny lalana, izay malama aok’izany etsy andaniny. Ny orana mikija dia mikija, ny rivotra nifofo etsy ankilany. Nanomboka teo no nampidinina ny razana ary nolanjaina an-tsoroka kilaometratra maro mihitsy, ho any amin’ny toerana hanitrihana azy. Teny an-dalana, namely tamin’izay ny havizanana sy ny hatsika vokatry ny orana sy rivo-doza. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia niisa teo amin’ny 15 teo ireo fianakaviana nandeha nankany amin’ity toerana ity. Nisy ihany ny narary saingy izy telo lahy ireto no indrisy fa tsy tana ny ainy.
m.L