- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpanendaka roalahy tratran’ny pôlisy

Ambohimanarina : Mpanendaka roalahy tratran’ny pôlisy

Mpanendaka gaigilahy roa no nosamborin’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany faha-6  teny Tsararay Ambohimanarina ny alarobia teo tokony ho tany amin’ny 1 ora. Fiaraha-miasa eo amin’ny andrimasom-pokonolona no nahitana izao vokatra izao. Izany Benasolo izany, 20 taona sy Rado Kely 19 taona no anaran’izy roalahy ireto. Eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny no tena famelezan-dry zalahy. Efa ela no nikarohana azy ireo, hoy ny voaovao voaray. Ho an’ilay voalohany, ny olona eny an-toerana ihany no tena ataony mitondra faisana. Ho an’i Rado, ireo teratany vahiny no matetika endahany. Tsy mandeha irery ry zalahy fa manao andiany maro rehefa manendaka. Ilay antsoina hoe Benasolo dia efa nandositra tany Mahajanga ary dia izao niverina taty an-drenivohitra izao indray.  Izy ireo aloha izany no tratra fa maro ireo namany mbola tafatsoaka toa an’i Michel ,izay mbola karohina ary efa misy koa ireo namany  efa eny am-ponja toa an-dry Nantenaina sy Lanto ary Eric. Marihana fa efa maro ny fitoriana mahakasika azy ireo ao amin’ny kaomisarian’ Ambohimanarina. Anio no hatolotra ny fitsarana izy ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser