Lehilahy iray 30 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina Ambohimanarina ny zoma maraina be tokony ho tamin’ny 2 ora, teny Ambohimanarina noho ny resaka halatra kodiaram-piara tamin’ny trano iray teny an-toerana. Noraisin’ireo polisy manao fisafoana amin’ny alina fotsiny ity lehilahy ity raha izy nidina ny rindrin’ny trano iray eny Ambohimanarina miaraka amin’ny kodiarana sy « jantes aluminium » miisa roa. Rehefa natao ny fisavana ity olon-dratsy ity dia nahatratrarana fanalahidy maro isan-karazany teny aminy, nahitana « clé de roue », « Pince » sy « tourne à vis », baka « fleche » miaraka amin’ny vato sy ny maro hafa. Nahitana basy kilalao sy antsy ihany koa teny aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria ity farany nanaovana fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana ny asabotsy teo ary naiditra am-ponja vonjimaika. Araka ny fanazavana azo, matetika mampiasa basy kilalao ireo olon-dratsy sasany amin’izao fotoana izao entina mampihorohoro. Tsy mahalala izay tena izy sy ny kilalao rahateo ny olona ka matahotra avy hatrany. Mety mahatonga ny polisy mitifitra avy hatrany kosa ny fahitana ireny basy ireny raha eny an-tanan’ny olon-dratsy na atao hoe kilalao aza. Tsy fantatra rahateo raha atao tazan-davitra.
Yv Sam