Tsy any ambanivohitra ihany akory no manjaka ny halatra omby fa na hatraty an-tanan-dehibe aza. Porofon’izany, lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy misahana ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina tetsy Ambohimanarina, ny zoma lasa teo, noho ny resaka halatra omby. Raha ny fampitam-baovao dia naharay fitarainana ny teo anivon’ny pôlisy, roa andro talohan’io, fa nisy fahaverezan’omby teny an-toerana. Ny alin’ny alarobia 22 oktobra no nisy nangalatra tao am-balan’omby izany biby fiompy izany. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, ary tsy ela dia fantatra ireo nangalatra sy ny toerana nisitrihany. Niroso tamin’ny fisamborana teo no ho eo ihany ireo pôlisy ka roalahy ireo tratra, izay niaiky rahateo ny heloka nataony. Marihina fa efa novonoin’izy ireo ny omby ary efa saika tapitra namidiny ny antsasaky ny hena. Nanaiky ny hanoro ny nanafenan’izy ireo ny ampahan’ny hena tsy lafo kosa izy ireo tao anatin’ny famotorana. Taorian’izay moa dia notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana izy ireo alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L


