- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpibizina rongony voasambotry ny zandary

Ambohimanarina : Mpibizina rongony voasambotry ny zandary

Zava-mahadomelina maina nahatratra hatrany amin’ny 12 kilao no tra-tehaky ny zandary tao amin’ity tokantrano iray tetsy amin’iny faritra Ambohimanarina ity taorian’ny fisavàna natao. Roa lahy ireo voasambotra tao anatin’izany. Vokatra tsara ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina indray no azon’ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary Tana Ville, ny herinandro teo. Mpamongady rongony roa lahy indray mantsy no voasambotra ary sarona tamin’izany ny « entana » namidin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, ny andron’ny 12 jona lasa teo no nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo, hanantanteraka ny fisavàna ilay trano, taorian’ny fahazoan-dàlana avy amin’ny Fitsaràna. Talohan’io mantsy, raha ny voalaza hatrany dia efa nahazo vaovao izy ireo fa misy  mpamongady rongony teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Tao anatin’izay fisavàna izay, no nahatratrarana io rongony milanja 12 kilao io, niaraka tamin’ny mizàna miisa telo sy taratasy isan-karazany, izay voalaza fa famonosana rongony. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa izy roa lahy ireto, ary natolotra ny Fampanoavana taorian’izay.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici