Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe « Patrice » no voasambotry ny pôlisy misahana ny boriborintany fahenina teny Ambohimanarina ny alarobia lasa teo, noho ny resaka fisolokiana. Raha ny fanazavàna azo dia vato sarobidy sandoka no entiny manao ny asa ratsiny, ary ireo mpitondra môtô no ataony mahita faisana. « Olona mitondra moto no hatoniny na antsoiny. Milaza izy fa manana vatosoa, toy ny saphir sy rubis. Reseny lahatra ilay olona mpitondra moto amin’ny filazana fa hisy olona hividy ilay vato. Apetrany ny vatosoa ary alainy ny moto mba ho mariky ny fifampitokisana. Manjavona izy avy eo. Ny vatosoa napetraka anefa sandoka », hoy ny vaovao. Olona efa telo izao no fantatra fa voasolokin’ity rangahy ity amin’ireo vato sarobidy sandoka ireo ary samy very môtô avokoa. Nametraka fitarainana avy hatrany teny amin’ny pôlisy moa ireto farany ary tamin’izay no nahafahana nisambotra ity mpisoloky gaigilahy ity, teny amin’iny faritra Ambodihady Ambohimanarina iny. Mbola teo am-pandrebirebena mpitondra môtô ihany aza izy tamin’io fotoana io no tra-tehaka. Raha ny fantatra dia toa efa zava-panaony ity fisolokiana ity satria dia nahitàna môtô maromaro tany aminy. Amin’izao fotoana izao dia tena mirongatra tokoa ireo mpisoloky etsy sy eroa. Misy ny sasany dia mahavita mivarotra am-pitsanganana izao amin’ny fandrebirebena ireo lasibatra. Ny sasany indray moa dia toa izy mamo indray no miantso pôlisy ary mahavita mitory ilay olona nisolokiany, entina hampihorohoroana sy hangalàna vola fotsiny.
m.L