- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpitondra « scooter » mamo nandona pôlisy, nitsoaka

Ambohimanarina : Mpitondra « scooter » mamo nandona pôlisy, nitsoaka

Ny alatsinain’ny Pantekôty lasa teo, pôlisy iray niasa teo Ambodivonkely Ambohimanarina no voadonana môtô nandeha mafy. Tsy nijanona anefa io tovolahy nitondra scooter io, fa mbola nitsoaka ihany. Voasambotra ihany anefa rehefa nifanenjehana ary fantatra teo fa mamo.

Araka ny fantatra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy :  « môtô « Scooter Jog » iray no nandeha mafy ka nandona polisy am-perinasa teny Ambodivonkely Ambohimanarina. Rehefa voadona ilay polisy, dia lasa nitsoaka ilay moto ». Tranga niseho tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina latsaka kely teo ; izany hoe efa tao anatin’ny ora tsy azo ifamezivezena sy « couvre feu ». Nandeha faran’izay mafy ity môtô io tamin’io fotoana io, handeha hizotra hiakatra ho any Ambohimanarina any. Rehefa voadona ity mpitandro filaminana ity, dia tsy nijanona akory ilay tovolahy nitondra môtô fa vao mainka nitsoaka. Nalefa avy hatrany teo ny fampandrenesana ny amin’ny tokony hametrahana sakana, hisamborana ilay mpitondra môtô. Tsy ela dia tra-tehaka teny Anosisoa ilay « scooter ». « Lehilahy, 26 taona nitondra ilay moto teny Anosisoa. Rehefa nojerena izy, dia efa mivilavila no sady mamofona toaka » hoy ny vaovao. Rehefa notsapaina ny tahan’alikaola tao aminy dia fantatra, fa mihoatra ny tokony ho izy. Teo  no ho eo ihany dia notanana tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina  ity lehilahy ity, ary noftorana. « Fitsoahana andraikitra teo anatrehana lozam-pifamoivoizana, fandonana mpitandro filaminana am-perinasa, ary familiana anaty fahamamoana » ireo no vesatra hiampangana ity lehilahy ity araka ny vaovao azo hatrany. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ireo pôlisy amin’izao ary heverina fa rehefa vita izay dia hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici