- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpivarotra notafihana tamin’ny kalach

Ambohimanarina : Mpivarotra notafihana tamin’ny kalach

Tokony ho tamin’ny roa ora maraina no tonga ireo olon-dratsy izay miisa folo, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Mitondra kalach izy ireo raha ny fijerin’ny voatafika indray. Mpivarotra iray tao an-toerana no lasibatra. Nopoirin’ireo jiolahy ny varavarana dia niditra tao anatiny izy ireo. Tsikaritry ny tompon-trano anefa izany ka nahatonga azy ireo nampandre ny manodidina tamin’ny alàlan’ny kiririoka. Tsy nisy azon’ireo olon-dratsy, ankoatra ny vola hitany nipetrapetraka tao an-trano, mitentina efatra alina izany raha araka ny fanazavana hatrany. Ny tsikaritra dia manomboka miverina indray izany ny fanafihana mitam-piadiana tamin’ity herinandro ity raha somary mba nangingina izany teo aloha kely teo. Asa, miha-manakaiky indray ny fety, na dia fetin’ny mpifankatia aza, hany ka mitady vola koa ny…jiolahy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser