Sady mamo no mbola nidaroka pôlisy, ary tena nandratra mafy ity farany, satria nidona tamin’ny vato ny lohany hany ka voatery naiditra hopitaly. Ny alahady teo no nisian’ity fikasihan-tànana ity. Lehilahy iray no nilaza ho zandary ary nampiseho karatra mihitsy mba nentiny nanamarinana an’izany. Lavo tamin’ny tany ilay pôlisy ary mbola niezaka nanavo-tena. Saika nitombo ny fahavoazany raha tsy nisy lehilahy iray hafa tonga. Nitonona ho zandary ihany koa izy io ary nampiseho karatra. Tsy nanakana ilay namany nanohy ny daroka anefa izany. Tsy nijanona teo ny raharaha satria mbola samy nifanazava sy saika hiantso ny namany. Samy milaza ho mpitandro ny filaminana rahateo no sady samy nentim-po. Niala ireo lehilahy roa izay samy nisy karatra zandary ary ilay pôlisy kosa nentina teny amin’ny hopitaly. Mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha fikasihan-tànana, na koa mety ho fifampikasihan-tànana teo amin’ny mpitandro ny filaminana ity. Noho ny fisian’ny naratra mantsy dia afaka mametraka fitoriana ary manokatra fanadihadiana ilay olona. Asa anefa raha mbola mitombina ny “protocole d’accord” izay mipetraka eo amin’ny mpitandro ny filaminana ary milaza fa ny vondrona izay misy ny voatory na voasambotra ihany no afaka manao ny fanadihadiana ny olony. Asa koa anefa raha karatra tena izy no nampiasain’ireo nilaza ho zandary.
D.R