- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Olona hiakatra taxi-be, notifirina basy

Ambohimanarina : Olona hiakatra taxi-be, notifirina basy

Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany mariana no nitranga ny asan-jiolahy. Raha araka vaovao nohamarinina teo anivon’ny polisy dia vehivavy handeha hiantsena vao maraina eny Anosibe no nisy nisintona ny paoketra nisy vola teny aminy. Nahita izany ny rangahy iray izay niaraka taminy dia nanohitra. Teo no namoaka basy ny jiolahy ary tsy nisalasala nampiasa izany. Notifiriny ilay rangahy ary naratra mafy. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly vao maraina io farany mba hanavotana ny ainy. Vao maraina dia efa mirefotra ny basy eto an-drenivohitra. Eo ihany ny hoe hamonjy tsena fa isan’ny mba eritreretin’ny olona ny hoe rehefa maraina no mitondra vola dia mety mba hihena ny asa fanendahana, satria mbola vitsy ny olona mifamezivezy. Saingy ny nifanohitra tamin’izay no nitranga tetsy Ambohimanarina omaly. Lasa ny vola ary naratra ny olona. Raha nisy kely aza dia saika afaka aina mihitsy satria tsy tifi-danitra mba hampatahotra no nataon’ny olon-dratsy fa tifitra hamonoana. Miverina hatrany any amin’ny fanontaniana izay matetika miverimberina izany: avy aiza ny basy ny bala ? Efa hita ihany ny ezaky ny mpitandro ny filaminana izay nahitàna orinasa fanamboarana basy vita gasy. Na izany aza, tsikaritra koa fa basy izay tsy tokony hisy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no mitazona azy, no ampiasain’ny mpandroba. Ankehitriny, heverina fa efa tsy mitombina intsony ilay fitenenana mahazatra hoe basy tamin’ny andron’ny krizy 2002 no mbola miparitaka ka tonga eny amin’ny olon-dratsy. Basy saika vaovao be mantsy ny sasany tamin’izay nogiazana ary ny bala koa dia tsy bala efa niasa ka namboamboarina nasiana vanja indray. Misy bizna fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna eto amin’ny nosy, indrindra fa eto an-drenivohitra. Ireny bala 10.900 izay hita tao amin’ny trano iray tetsy Analakely ireny dia efa porofo mivaingana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici