Fahasahiana mihoam-pampana ny an’ity lehilahy iray voasambotry ny Oôlisy teny amin’lalan’ny digue Arts Malagasy iny. Sahin’ingahy akintsirano mihitsy mantsy ny nanendaka Oôlisy iray miasa ao amin kaomisarian’ny boriborintany fahenina, raha mbola variana nanao ny asany ity farany. Ireny karazana fitaovam-piseraseran’ny mpitandro filaminana, « radio portatif » na « talkie walkie » hoy ny fitenentsika mahazatra no lasa tamin’io fotoana io. Ny alarobia lasa teo no nitrangan’io toe-javatra hafakely io araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena. « Nandritra ny fandrindrana ny fifamoivoizana no nandalo avy ao aorinany ity lehilahy iray nandeha scooter, avy amin’ny Iveco ho any amin’ny Rocade ». Marihana fa teny am-povoan-dalana ity Oôlisy ity no nijoro nanao ny asany ary tamin’izay no nararaotin’ity lehilahy ity. « Avy hatrany dia nisintona ny radio teny am-pelan-tananan’ilay Oôlisy ilay lehilahy ary nampiriminy haingana tao anaty « boite à gants » izany no sady nanohy ny lalany ihany izy ». Raikitra teo ny fifanenjehana ary nampilazana ihany koa ireo Oôlisy hafa miasaha iny faritra iny. Voasakana teo akaikin’ny sampanan-dalana hivily ho any Ambohitrimanjaka moa ny lehilahy. Nosamborina ary nentina natao famotorana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria Ambohimanarina. Asa, mba inona re no nandalo tao an-dohan’ity rangahy iray ity e ? Sa izany toko ny hoe sasatry ny miaina …
m.L