Ny sabotsy lasa teo no nisehoan’ity tranga ity, teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia voalaza fa ramatoa efa antitra izay sahabo eo amin’ny 50 taona eo no novonoin’ny vinantolahiny izay mbola tanora tokoa , eo amin’ny 30 taona eo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa efa tsy dia mifankahazo firy tokoa izy ireo ka izay no nahatonga ny disadisa, sy ny ady nitranga . Araka ny fitantaran’ity lehilahy ity, izay voalaza fa namono ny rafozany, ananany vola ity rafozany ity, ka teo no niteraka ny tsy fifanarahana tamin’ny roa tonta. “Tsy fantatra na tsy te hanome ny volako izy, dia izao nila ady tamiko izao” hoy hatrany ny fitantaran’ity lehilahy ity. Voalaza fa naratra ilay ramatoa ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy mba ho fiarovany ny ainy. Tsy vitan’izay niadia moa izy ireo, fa nifampitory mihitsy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa niakatra teny amin’ny fampanoavana teny Anosy mihitsy ity raharaha ity . Eny na dia mpianaka aza izy ireo. Voalaza fa ny alatsinainy lasa teo no niakatra ny raharaha ka mbola miandry ny didim-pitsarana avokoa ny fianakaviana , momba ireto mpianaka nifamono sy nifampitory ireto.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)