- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Ramatoa mpivarotra voatsatoky ny sabatra

Ambohimanarina : Ramatoa mpivarotra voatsatoky ny sabatra

Tsy mba nisy fiantràna na ny kely aza ireo jiolahy, na koa mba fieritreretana hoe fanaka malemy, ramatoa no nanaovana herisetra. Noratrain’ireo tamin’ny sabatra ilay madama ka nahazoana ny paoketra teny aminy. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitrangan’izany fanendahana miharo herisetra izany tetsy Ambohimanarina, tsy mifanalavitra loatra amin’ny tsena, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Mpivarotra eny Analakely no anton-draharahan’io ramatoa io ary isaky ny hariva dia taterina amin’ny sarety ny entana tsy lafo. Asa, efa tsikaritr’ireo olon-dratsy ihany koa angamba izany fanao izany ka nampitatra ny sain’izy ireo ho amin’ny ratsy indray. Narahin’izy efa-dahy tsimoramora ary rehefa teo amin’ny toerana tsy dia be olona, efa alina rahateo ny andro, dia noratraina tamin’izay ilay ramatoa nitondra paoketra. Lasa tao anatin’izany ny vola manodidina ny 1,5 tapitrisa Ariary izay maty indray andro. Niisa roa ireo ramatoa no niaraka saingy izay nisy ny vola ihany no notsatohana sabatra. Niteraka faharatràna izany saingy mba nijanona ihany ny rà rehefa nahazo fitsaboana ilay ramatoa. Rehefa vita ny fanafihana dia ireo jiolahy indray no niantso vonjy, asa izay tena tanjon’ireo tamin’izany na entina mananihany sy mampita hafatra tamin’ny voaendaka hoe ireo jiolahy no tompon’ny lalàna rehefa amin’ny alina. Ny tranga toa izao dia misy akony hatrany amin’ny fampandrosoana satria tsy misy intsony mihitsy – ankoatra ny asa fivarotan-tena, filokana, fivarotan-toaka – sehatra mba mihodina eto an-drenivohitra amin’ny alina. Amin’ny dimy dia efa mihazakazaka mody ny olona ary manamafy ny hidin-trano…
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici