- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Ramatoa namoy ny ainy, nianjera tao anaty fatana

Ambohimanarina : Ramatoa namoy ny ainy, nianjera tao anaty fatana

May tanteraka ny faritra ambony rehetra amin’ny vatan’ity ramatoa iray ity, izay latsaka tao anaty fatana nisy afo. Antony nitarika ny fahafatesany raha ny angom-baovao azo. Teny amin’iny faritra Ambohimandroso Ambohimanarina iny no nitrangan’ity loza ity, ny alin’ny talata lasa teo. Raha ny zava-nitranga, araka ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia mipetra-drery ity ramatoa, tokony ho 50 taona ity, izay manana aretina mitaiza azy ihany koa raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho, fa izy efa niankohohoka tao anaty fatana mirehitra sy efa maimbo rainkona no hitan’ireo manodidina azy. Ankevitry ny nahandro sakafo araka izany izy tamin’io fotoana io, no mety nihetsika tampoka ny aretina nahazo azy, ary dia io nianjera tao anaty fatana misy afo io. Noheverin’ireo mponina manodidina fa mahandro sakafo aza izy tamin’io fotoana io, raha tsy ny fofona no nanaitra ny rehetra. Niezaka namonjy azy izay nahita rehetra saingy indrisy fa efa may tanteraka ny tapany ambony tamin’ity vehivavy ity, izay niafara tamin’ny fahafatesany. Vao niseho moa ny loza dia nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana, ary tonga nizaha ifotony ny zava-nisy sy nanatanteraka ny fanadihadiana. Ny razana kosa efa naterina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra nanaovana fitsirihana, alohan’ny hanomezana azy ny fianakaviany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici