Lehilahy roa no nosamborin’ny polisy tamin’ny fisolokiana varotra moto teny Ambohimanarina. 800.000Ariary no namarotan’izy ireo ilay kodiran-droa. Rehefa azony ny vola dia ny iray mody mitondra ilay mpividy ao amin’ny biraon’ny kaominina ao Ambohimanarina mikarakara ny taratasy fifampivarotana. Ny iray kosa mody miandry ilay moto tany ivelany ka rehefa tafiditra ao amin’ny kaominina iretsy farany dia lasa mitsoaka miaraka aminy moto izy. Ilay anakiray kosa mody milaza hivalandrano ary any dia tsy hita. Mody omen’ireto olon-dratsy ilay mpividy ny aro-loha mba hahatokisany azy. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo dia tratra. Manentana hatrany ny Polisy mba ho mailo sy hitandrina amin’ny toe-javatra tahaka izao indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Tamin’ny sabotsy no natolotra ny Fampanoavana ireto mpisoloky ireto.
nangonin’I r.s.