- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : « Soudure » nipoaka, nisahotaka ny olona

Ambohimanarina : « Soudure » nipoaka, nisahotaka ny olona

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, nisy zavatra nirefotra faran’izay mafy teny Antsahamaina, eny Ambohimanarina. Nisahotaka ny mponina raha nahare izany. Rehefa nojerena, « poste soudure » iray no nirefotra tamin’ny fotoana nampiasana azy. Soa ihany fa tsy nisy ny olona naratra tamin’ity indray mandeha ity. Voafefin’ny fiara namboarina teo amin’ilay toerana ireo olona sendra akaiky teo. Nisy kosa ny fahasimbana tamin’io fipoahana io. “Pare à brise “ ana fiara telo no indray potika. Ny nahavariana tamin’ity zavatra ity, raha vao heno ilay zavatra nipoaka, nihazakazaka avokoa ny rehetra nandeha teny amin’ilay toerana. Nisy ny mpiantsena tany antampon-tanana, nisy ny olona hafa teny akaiky teny samy nirohotra nandeha nizaha izay tena zavatra niseho. Ohatra ny nanatona loza, hoy ny filazan’ny sasany. Ilay nilaza izany ihany no nanohy ny resaka niteny fa liam-baovao ny olona amin’izao fotoana izao ary tsy dia miraharaha izay mety ho fiantraikany amin’ny tenany.

Tsy vao izao no nisy fipoahana “poste soudure” teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Taona vitsy lasa izay, teny Ambodivonkely, nirefotra ny fotaovana iray sahala amin’io omaly io. Tamin’izay fotoana izay, nisy ny olona namoy ny ainy ary nisy koa ny naratra mafy.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser